Politique

Zafy – Deba – Beriziky Nidinika ny fodian-dRavalo sy ireo gadra politika


  • Talata 29 Novambra 2011

Nikaon-doha tetsy amin’ny Carlton omaly ny profesora Zafy Albert, ny amiraly Ratsiraka, ary ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer.

 Tsy nisy nipika ny dinika saingy misy loharanom-baovao milaza fa anisan’ny lahadinika tamin’izany ny mikasika ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny famoahana ireo gadra politika. Azo antoka koa anefa fa tonga handresy lahatra ny amiraly hanao sonia ny sori-dalana ny praiminisitra, noho ny ankolafy tarihiny tsy mbola nankato izany. Ny amiraly etsy ankilany dia heverina fa hanamafy tamin’ny praiminisitry Beriziky, ny zavatra efa nambarany ampahibemaso tamin’ny fahatongavany ny alakamisy 24 novambra teo, dia ny fitakiany ny hamoahana ireo gadra politika, ary koa ny hanatanterahana eto ny fihaonana antampon’ireo filohan’ny ankolafy efatra sy ireo mpitarika politika hitadiavana vahaolana miaraka hamaranana tanteraka ny krizy. Ny fisian’ity fifanatonana omaly ity anefa dia ahitana taratra ihany fa dia mety tsy hiadian-kevitra intsony ny maha praiminisitry ny marimaritra iraisana an’i Omer Beriziky.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT