Tonga namangy ny zokiny indrindra amin'ireo filoha teo aloha Zafy Albert tany an-tranony ny 31 desambra 2016 lasa teo ny filoha Teo aloha Ravalomanana Marc
. Na samy filoha teo aloha aza izy ireo dia adidy amin'ny maha zandriny azy no natongavany teny an-toerana. Azo ambara fa manga ny lanitra eo amin’ny fifandraisan’ny roa tonta ka ho marik’izany indrindra dia nisy fakana sary fahatsiarovana niarahan’izy ireo. Tsy nisy nipika moa ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tamin’izany nefa azo inoana fa ankoatra ny fifanomezam-bonihahitra noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra dia tsy maintsy ho voaresaka tamin’ny dinika nifanaovana, amin’ny maha-mpanao politika azy ireo, ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.