Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny fisian’ireo karazana fitrandrahana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ny ankamaroan’ny olom-pirenena.
Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny fisian’ireo karazana fitrandrahana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Anisan’izany ny ao Soamahamanina izay fantatra fa tsy mbola tapaka akory ny fifanarahana nifanaovan’ny fanjakana tamin’ireo sinoa na dia efa nijanona aza ireto farany. Ankoatra ny tsy fahazoan’ny Malagasy tombony amin’ny fitrandrahana ireny harena ankibon’ny tany ireny anefa dia fantatra fa misy fiatraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny toetr’andro eto amintsika ihany koa ny fanaovana izany. Nanambara ny minisitry ny harena ankibon’ny tany, Zafilahy Ying Vah fa tsy avy amin’ny fitrandrahana velively no mitarika izao fihantonan’ny orana eto amintsika izao. Mbola manoatra lavitra noho ny zava-misy eto amintsika ny misy any Australie satria dia mahatratra 350 taonina isan-taona ireo harena ankibon’ny tany voatrandraka any an-toerana nefa tsy manana olana tahaka izao izy ireo. Ny doro tanety sy ny tavy no mahatonga ny fivadihan’ny tontolo iainana ho ambony ambany izao ka tokony samy hisaina ny rehetra. Nomarihiny manokana fa anisan’ny andraikitra sahanin’ny minisitera tantaniny ny fanarenana ireo karazana toerana natoraly simba noho ny fitrandrahana eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.