Politique

Zafilahy Stanislas “Tsy zakan-dRajoelina ity firenena ity”


  • Talata 04 Septambra 2012

Rivodoza, hain-trano, fivadihana sambo, lozam-pifamoivoizana tsy hita isa, fanafihan-dahalo sy ny maro hafa...

 Tsy mbola nisy loza niteraka fahafatesana mikararana toy izao nihatra amin’i Madagasikara izao, hoy i Zafilahy Stanislas. Ny vahoaka tsy manan-tsiny no potika. Tsy zakan-dRajoelina sy ny ekipany ity firenena ity ka aza mihizingizina fa avereno amin’ny tompony ny lakile fa tsy mbola nisy toy izao, hoy ihany ity parlemanteran’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity izay milaza fa karazana lakolosin’Andriamanitra ireo zava-miseho rehetra ireo. Hafa ny tenenin’ny vava, hafa no ataon’ny tanana, hoy i Zafilahy Stanislas manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Anisan’ny nanenjehana an-dRavalomanana, hoy izy, ny filazana fa manafangaro raharaham-piangonana amin’ny fitondrana ny firenena ny tenany. Ny zava-misy anefa, hoy i Zafilahy, ireny nitranga tany Manakara ireny. Nezahina novidiana vola hifidy ny kandidam-pitondrana ireo mpitandrina Fjkm. Izao koa miala any ny an’ny Loterana. Tsy lazaina ny loko volomboasary ampiasain’ny katolika sasany amin’ny fanehoan-kevitra. Ampidirina politika ny fiangonana. Mamitaka ary mandainga amin’Andriamanitra fa Andriamanitra tsy ho voafitaka amin’izany, hoy ity Filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity, izay milaza fa mody mivavaka no ataon’ny FAT.

Akanjo fotsy no nanaovana nanapitsoka trano, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Mampivarahontsana izany, hoy izy ka tsy mahagaga raha mitranga izao loza rehetra izao satria toy ny nitondrana ny Zanak’Israley hiala ao Egypta ny zavatra iainan’ny Malagasy. Nanentana ireo mpiara-dia aminy moa i Zafilahy Stanislas mba hanamafy hatrany ny tolona eny an-kianja fa efa tsy ho ela dia ho azo ny fandresena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT