Politique

Zafilahy Stanislas “Tsy mila Vazaha taratasy hitondra an’i Madagasikara izahay !”


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Namaivay omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka ny fanoherana ny tetikadin’ny Frantsay eto amintsika.

 Voambolana maro no notononin’ireo mpandahateny toa an-dry Guy Roger, Donné, ny solontenan’ny Zokiolona, Rodolphe sy i Charline, toy ny hoe mpampisavorovoro, mpandrebireby, mpisoloky, mpiray tsikombakomba tamin’ny fanoganam-panjakana … I Sylvain aza namintina izany rehetra izany tamin’ny hoe : matoky isika fa na inona na inona tranga, mpandresy hatrany isika. Miady amin’ny fahafahana isika ka rehefa mipetraka ny sori-dalan’i Sandton dia hatao veloma ny Frantsay. Politikan’ny fihatsarambelatsihy no maha voalohany ny Frantsay manerana izao tontolo izao, hoy i Ignace.

Etsy andaniny izy dia mankasitraka ny ezaka nataon’ny SADC nefa etsy ankilany dia midera ny fanambaran-dRajoelina tamin’ny 31 aogositra. Manjavozavo ny diplomasiany ary io koa no ianaran’ny FAT ka dia manjavozavo koa ny zavatra ataony. Nivoaka ny marina momba ny Frantsay raha nanao iny fanambarana iny ry zareo, hoy i Zafilahy Stanislas. Ho filamatra amin’ny fiadiana amin’ny fanjanahana vaovao i Madagasikara ary ho tonga saina i Afrika amin’iny. “Tsy mila Vazaha taratasy intsony izahay hitondra ny taninay, tsy hamidinay ny taninay ary i Marc Ravalomanana ihany no hanavotra azy”, hoy i Zafilahy. Fotoana iray toa zato ho an’ny sasany itony tetezamita itony, hoy ny depiote teo aloha Henri Randrianjatovo, satria mba mihetsika ny tamboho, ny trano, mitombo ny entana ao an-trano…

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT