Politique

Zafilahy Stanislas “Tsy ho tompon-tanindrazana isika atsy ho atsy”


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

Tofoka tanteraka amin’ny FAT ny vahoaka any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro Behoririka, omaly.

 Voaporofo izao, hoy izy fa tsy an’ny fanjakana intsony ny haino aman-jerim-pirenena fa lasa fananana manokan’i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy. Araka ny fanazavany dia nomena baiko indray ireo mpiasa ao amin’izao fa tsy azo omena sehatra intsony ireo rehetra manam-paniriana hilatsaka hofidiana. Etsy andanin’izany dia nambaran’ity Filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Faritany Toamasina ity fa manomboka sahirana isika fa tsy ho tompon-tanindrazana intsony atsy ho atsy. Izay rahateo, araka ny fanazavany no antony nanesoran’i Frantsa an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana. Raha manana olana eo amin’ny tany, ohatra, ny Malagasy, hoy izy dia roahina amin’ny taniny fa ny fanjakana dia miaro ny Frantsay na ny Karana naka ilay tany.

Araka izany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa fanodinkodinan-dresaka fotsiny ihany ilay hoe satelita hikarohana sy hanarahana ny omby very fa fiarovana tombontsoan’ireo vahiny sy ireo Malagasy miara-mihinana aminy izany. Raha ny vaovao dia misy tany malaza ho misy volamena any amin’iny Faritra Atsinanana iny. Tonga ny vazaha miaraka amin’ny fitaovana, hoy i Zafilahy dia voaroaka ireo rehetra nonina tao ary tsy azo andehanana 100 metatra manodidina io tany io. Iray hetsy Ariary isan’andro ny karamain’ireo vahiny, ireo Malagasy miasa ao kosa tsy mahazo mijery na dia izay zavatra mivoaka avy ao amin’ny ampahan-tany io aza. Tsy misy fahazoan-dalana izany rehetra izany, araka ny fanazavany.

Momba ny resabe fanagejana pasipaoro sy tsy fahazoan’i Marc Ravalomanana mivezivezy dia nambaran’i Zafilahy fa tsy hivakiana loha intsony ny amin’izany fa ny fantatra dia tsy maintsy mody Ravalomanana na iza faly na iza tezitra. Nanamafy koa ny tenany fa matoky ny Troika-SADC izay tarihin’ny filoha Tanzanianina amin’ny fampodiana an-dRavalomanana eto an-tanindrazana. Nanentana ireo mpiara-dia aminy i Zafilahy Stanislas hanambarana ny hery satria “tsy misy olona afaka hanavotra ny firenena, hamerina ny fifampatokisana eo amin’ny Malagasy sy ny mpamatsy vola ary ireo mpiray ombon’antoka raha tsy i Marc Ravalomanana”.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT