Tsy hanaiky isika raha tsy mihodina ny tantara, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, ka hiverina eto an-tanindrazana indray ny Filoha Marc Ravalomanana hamerina ny fampandrosoana efa nimatimatesany ka nampiakatra avo dia avo ny harin-karentsika tamin’ny taona 2008 saingy nosomparan’ny mapanongam-panjakana.
Mbola miasa hatrany ny Tompo, hoy izy, manavaka ny tsara sy ny ratsy ary io tsy ny eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany koa. Noho ny fitiavan-tena dia mifamingana isika Malagasy. Tsy Ravalomanana ihany anefa no potehanareo fa ny firenena mihitsy, hoy i Zafilahy. Efa maro ny fadiranovana. Voafitaka ny vahoaka, hoy izy, ka izay no tsy maintsy hodian’ny Filoha Ravalomanana. Telo taona latsaka i Andry Rajoelina no teo nefa tsy mbola voavaha ny olana. Omeo ny Ankolafy 3 ny fitondrana, hoy i Zafilahy, fa izy no manana olona mendrika. Izay no afahantsika hiverina miaraka amin’ny vondrona iraisam-pirenena.
Misy milaza fa lalaovin’ny SADC isika. Tsia no valiny, hoy ity depioten’i Vavatenina ity, fa ny Frantsay, ny Senegaley ary ny Maorisiana no mamadika sy mibahana mba tsy handrosoan’i Madagasikara ary tsy tian’ireo isika hatoky ny SADC. Tsy adala anefa ny iraisam-pirenena fa samy manana ny olony ary tsy ny fitiavan’ny vondrona iraisam-pirenena an-dRavalomanana no tiany hamerenana azy eto fa ilay vahoaka mihitsy no mahatsapa fa ilaina izy ary ny any ivelany dia mahalala fa fanonganam-panjakana no nampiala azy. Amin’ny herinandro dia ho avy ny iraky ny SADC ary tsy ho ela ny fepetra mazava. Any amin-dry Zuma ny tapany ary aty amintsika ny ambiny, hoy izy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.