Politique

Zafilahy Stanislas Tonga ny fotoana, ampy izay….


  • Alatsinainy 27 Febroary 2012

“Tsy maintsy mijoro ary vitantsika ka tsy maintsy ho azontsika ny fandresena”, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny kianjan’ny Magro ny sabotsy lasa teo.

 . Hentitra ny filoha lefitry ny kongresy nilaza fa na iza faly na iza tsy faly dia tsy maintsy miverian eto ‘i Dada’ ary ny 29 febroary ihany no tanjona. Nohamafisiny koa fa dia fiandohan’ny faharavan’ny fitondran-dRajoelina izao zava-misy izao ary tsy manome herinandro maromaro io fitondrana io ny tenany dia hirodana ho azy. Momba ny fiandrianam-pirenena izay dradraina mandrakariva dia nambarany fa misy fenitra ny fananana azy. Raha fifandimbiasan-toerana demokratika no nisy teto dia mitombina ny hisian’ny fiandrianam-pirenena ary tsy azon’iza na iza baikoana ny Malagasy. Ny nisy teto, hoy izy dia fanonganam-panjakana. Tsy misy izany fiandrianana izany rehefa fanonganam-panjakana no nisy sy natao. “Tonga ny fotoana tsy maintsy hampanenoana ny anjomara”, hoy ihany i Zafilahy Stanilas. Ho azy manokana moa dia tsy olana ary mampirisika ny tsy hanaovana ny amnistia sy ny fitoniana aza ny tenany. Ho hita eo ny zavatra hitranga, hoy ihany izy.
 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT