Mitana ny sain’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ny mety ho vokatry ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay hatao atsy Seychelles hatry ny omaly.
Efa betsaka ireo dinika natao na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena na teto an-tanindrazana nitadiavana izay ho vahaolana amin’izao krizy nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 izao saingy tsy nisy nahomby izy ireny hatreto. Betsaka ny sonia efa vita saingy nitsefotra hatrany satria tsy nitana ny teny nomeny ireo mpanao politika, indrindra ireo milaza ho manana ny fahefana. Nanapa-kevitra ary ny SADC, izay mitarika ny fanelanelanana hamahana ny krizy eto amintsika fa hampihaona sy hampihavana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Anisan’ny fepetra napetrak’ity vondrona mpanelanelana ity ny fifanatrehan-tavan’izy mianaka irery ihany, eo koa ny tsy hamoahana na avy amin’ny andaniny na ny ankilany vaovao na koa izay mety hifandranitana. Samy miandry izay haterak’izany ny rehetra. Ho an’i Zafilahy Stanislas dia anisan’ny nampateza ny krizy ny kajikajy be loatra nataon’ny mpanao politika ka izany no nahatonga ny SADC ho hentitra amin’ny fitondrana ny raharaha amin’ity indray mitoraka ity. «Raha sanatria mitsefotra ity fanelanelanana ity dia tsy hatoky ny SADC intsony ny firaisambe iraisam-pirenena», hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina ity.
Araka ny fanazavany dia anisan’ny nahatonga ny SADC nanolotra kandida hitarika ny vaomiera afrikanina ny famahana ny olana aty Afrika, tsy misy firenen-kafa hitsabaka. Ary dia inoana, hoy izy fa tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara ny fisian’izay fiovam-pitantanana izay. «Tsy maintsy hahitam-bahaolana ny any Seychelles, ary tsy hisy zavatra hivoaka na hibolila eo fa samy raiamandreny no any. Tsy izay tian’ny mpanao politika atao koa no atao fa ny vahoaka 20 tapitrisa no tsy maintsy jerena», hoy ity mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Ho an’ny «Zanak’i Dada» dia zavatra roa loha no takiany na inona mety ho fandehan’ny dinika na inona dia ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena hahazoana manarina ny firenena izay efa tena latsaka an-katerena tanteraka. Etsy andanin’izany, eo am-piandrasana izay ho vokatry ny dinika any Seychelles, dia hibahan-toerana eny amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny fitondrana am-bavaka ny firenena. Amin’ity anio ity koa dia ho andro fifadian-kanina, hisy koa fotoam-bavaka lehibe etsy amin’ny FJKM Ambatoroka hiantsoana ireo rehetra mahatsapa fa mila vavaka ny firenena hivoahana amin’izao krizy izao.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.