Politique

Zafilahy Stanislas Rakotomandimby Ho avy ny tolo-dalàna famotsoran-keloka avy any amin’ny SADC


  • Zoma 24 Febroary 2012

Nisy tolo-dalàna niainga avy aty amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny vondrona HPM mikasika ny famotsoran-keloka, hoy ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas, ary nisy volavolan-dalàna iray hafa koa mikasikan’io ihany notenenin’ny minisitra Razanamahasoa Chirstine.

 Ireo anefa, hoy izy, dia samy mifanipaka atsimo sy avaratra amin’ny voalazan’ny sori-dalana avokoa, indrindra ny fepetra napetraky ny sehatra iraisam-pirenena (ao anatiny ny SADC) satria dia tsy mikatsaka afa tsy ny fanilihana olona iray dia ny filoha Marc Ravalomanana. Atao koa, hoy izy, ny hilalaovana ity volavolan-dalàna ity mihitsy mba tsy ahatrarana ilay daty 29 febroary.. Ary ao anatin’izany koa mba hisian’ny fitoniana eto amintsika dia tsy maintsy misy ny fifamelana malalaka. Efa misy ny tolo-dalàna avy any amin’ny SADC ankehitriny, hoy i Zafilahy Stanislas, ka izay no andrasana ho aty amin’ny parlemantan’ny tetezamita roa tonta atsy ho atsy. Eo am-piandrasana izany dia haveriko, hoy izy, fa tsy miova aloha hatreto ny datin’ny 29 febroary efa nifanarahana sy nekena tany Prétoria. Ka raha misy hitsangana hamita-bahoaka dia ho hita eo fa ny olona efa tena leon’ity krizy ity ankehitriny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT