Politique

Zafilahy Stanislas Raisin’ny vahoaka ny andraikitra raha toa ka …


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2012

“Raha vao milatsaka hofidiana i Andry Rajoelina dia tsy maintsy mirotsaka koa i Marc Ravalomanana”, hoy i Zafilahy Stanislas manoloana ny hiatrehana fifidianana amin’io taona 2013 ho avy io

 Raha ny tetiandrom-pifidianana no jerena, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity dia any amin’ny manodidina ny 8 novambra any, izany hoe afaka telo volana i Marc Ravalomanana no tokony hody eto an-tanindrazana. Eo am-piandrasana izany anefa dia manantena zavatra goavana amin’ny fihaonana manaraka eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny Zanak’i Dada. Kihon-dalana lehibe io, hoy ihany i Zafilahy Stanislas izay nanamarika fa tsy hanaiky raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana. “Tsy maintsy vahana ny krizy ary izahay tsy hanaiky kajikajy politika intsony. Horaisin’ny vahoaka ny andraikitra”, hoy ihany izy.

Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny politika maloton’ny FAT hanilihana an-dRavalomanana ny nananganana haingana ny FFM momba ny fampihavanana, nanilihana ny FFKM, teo koa ny resaka fitsarana tany Afrika Atsimo kanefa moa dia tsy nahomby izany. Asa goavana, hoy ihany ity mpitari-tolona ity no miandry ny Malagasy mangataka ny filatsakahan-kofidian’ny filoha Marc Ravalomanana ao anatin’izay telo volana izay sy ny ho avy rehetra.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT