Politique

Zafilahy Stanislas “Ny tanindrazanay tsy amidinay amin’i Lafrantsa”


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Tafita ny hafatra nentin’ireo mpitari-tolona na dia somary nananosarotra aza ny fifandraisana tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia noho ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fanamafisam-peo.

 Nisongadina indrindra tamin’izany ny hanatanterahana ny fifampiarahaban’ny Zanak’i Dada tsy mivadi-belirano amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny fahatrarana ny taona vaovao ao amin’ity toerana ity amin’ny sabotsy ho avy izao. Aza taitaitra, hoy ny CST Henri Randrianjatovo fa hain’Andriamanitra ny mamaly ny vavaka nataontsika fa ny tondrozotra dia efa nametraka fa ny famotsoran-keloka faobe no hatao eto. Efa fantatry ny Troika avokoa ny zava-misy amin’ny fanakanan’ny FAT ny tsy hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, hoy izy, saingy izahay ao anatin’ny CST sy CT ary ny minisitra zanak’i Dada ao anaty governemanta dia tsy hanaiky izany. Tsotra ny hafatra ho antsika, hoy ny CT Ralaiamampisainarinony Manoela : tsy maintsy mody ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy mila famotsoran-keloka izy. M

bola nohamafisin’ny CT Guy Maxime Ralaiseheno izany tsy filan’ny filoha Ravalomanana amnistia izany satria fitsarana mitanila no nitsarana azy. Ireny rehetra ireny sy ny raharaha BANI, hoy izy, dia raharaha politika ka tokony ho voafafan’ny andininy faha-16 amin’ny sori-dalana avokoa. Fampitam-baovao amin’ny fisian’ny mersenera frantsay marobe eto amintsika no nentin’ny CST Olivier Rakotovazaha ka aoka isika ho mailo ho izy. Dia nohamafisin’ny CT Zafilahy Stanislas izany tamin’ny filazana fa efa hatreny Ambohijatovo isika no niteny fa ny Frantsay no ao ambadiky ny fanonganam-panjakana nataon-dry Rajoelina teto.

Manararaotra ny zava-nahazo ny mpiray tanindrazana aminy ny ambasadaoron’i Frantsa, hoy izy, milaza fa tsy mandry fahalemana ny tany mba ahazoana mampiditra tafika frantsay eto hiaro ny fitondran-dRajoelina indray. Koa raha Malagasy marina ianao, hoy ny CT Zafilahy Stanislas namarana ny teniny dia hiray feo aminay fa ny tanindrazanay tsy amidinay amin’i Lafrantsa velively izay efa nampitondra faisana ireo razambenay. Ny filoha Ravalomanana ihany, hoy i Zafilahy, no afaka manavotra ity firenena ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT