Tokony ho amin’ity anio ity no hiverina eto Madagasikara ireo delegasion’ny ankolafy Ravalomanana lasa any Afrika Atsimo.
Araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita faritany Toamasina, Zafilahy Stanislas dia tampoka ihany iny dia iny satria na izy aza tsy nahafantatra ny fisiany. «Rehefa tonga ry zareo dia haheno vaovao isika», hoy izy raha nanontaniana. Momba ny fodian’ny filoha teo aloha moa dia nambarany fa tsy voatery hoe tapitra ny 60 andro, taorian’ny dinika tany Maputo farany teo, vao hody izy. Tetsy andanin’izay dia nambarany tamin’ireo mpiara-dia aminy fa «maika, mila valiny haingana ny Malagasy. Tsy hisy olona hahavita ny fanarenana an’i Madagasikara afa-tsy Ravalomanana», hoy i Zafilahy Stanislas. Ny fodian’i Marc Ravalomanana tsy misy romoromo no anton’ny tombana hataon’ny SADC, hoy kosa Randrianjatovo Henri, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Efa misy mikononkonona korontana mantsy any ho any, hoy izy ary i Frantsa dia mitady hatrany izay hiadian’ny samy Malagasy.
Nanentana ireo mpiara-dia aminy hitazona hatrany ny tolona natao moa ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Ingahy Fidison, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert kosa dia nanamafy fa “efa fikomiana no misy eto” amintsika amin’izao fa tsy resaka dahalo fotsiny ihany. Niangavy ireo parlemantera koa ny tenany fa tokony hofafana ao anaty lalàna ilay hoe 60 andro tsy maintsy honenan’ireo izay te hirotsaka hofidiana eto Madagasikara. Tsy tenierana rahateo no nanaovana izany, hoy izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.