Nezahina novoizina tamin’ireo gazety sy haino aman-jery teto an-drenivohitra ny momba ny fitsarana ny filoha Marc Ravalomanana any Afrika Atsimo.
Betsaka ny resaka mandeha. Anisan’izany ohatra ny filazana fa tsy mahazo mivoaka an’i Afrika Atsimo ny tenany. Vao omaly koa dia nambaran’ny filohan’ny FAT fa azo tanterahina ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana saingy tsy azo adinoina fa misy koa ny andininy faha-45. “Samy nianatra isika ka aoka tsy hifanambaka”, hoy i Zafilahy Stanislas. Raha hovakiana manomboka amin’izay andininy faha-45 dradradradrain’ny FAT izay tokoa ny sori-dalana, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity dia marina fa manana ny fiandrianany ny firenena ary tsy misy hidiran’ny SADC ny resaka fitsarana saingy misy ny fenitra iraisam-pirenena. Ao anatin’io sori-dalana izay mitondra ny firenena amin’izao io ihany no milaza fa foana avokoa ny fanenjehana ara-politika rehetra, hoy ihany ny fanazavana. Manoloana izany dia voafafa izay anenjehana ny filoha Ravalomanana. Ankoatra izay dia nambarany fa mafy ny nanaiky an-dRajoelina hitondra ny tetezamita, indrindra ny Zanak’i Dada. Noho ny fifanarahana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena anefa dia nandefitra nanana ny rariny, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Ny andininy faha-16 sy faha-20 dia ampy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.