Politique

Zafilahy Stanislas Niverina an-kianja indray


  • Alarobia 06 Martsa 2013

Elaela tsy tazana tao an-kianjan’ny Magro Behoririka i Zafilahy Stanislas. Araka ny fanazavany dia nidina tany ambanivohitra nijery ny zava-misy ny tenany.

 Tamin’izany dia nisy ny fifampiresahana natao tamin’ireo mpamokatra, ireo tantsaha. Nambarany àry fa raha mbola ireo lehiben’ny Faritra amin’izao fotoana izao ireo no eo dia tsy hisy fifidianana hanjary eto amin’ny tany sy ny firenena. Teren’ireo lehiben’ny Faritra hanohana izay kandida heveriny fa tokony hotohanana ireo sefom-pokontany, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina ity. Ny zava-misy anefa, hoy i Zafilahy Stanislas na ireo TGV any amin’ny Faritra aza maro no miafina na koa niala tsy ho mpikambana ao intsony. Mazava ny resaky ny tantsaha any ambanivohitra any, hoy ihany ny filoha lefitry ny Kongresy : «tsy misy vahaolana raha tsy mody eto ny prezida Ravalomanana. Izahay tsy hiala amin-dRavalomanana». Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas hatrany fa tsy hisy fifidianana vanona eto raha tsy tafapetraka ny fitoniana na ara-politika na ara-piarahamonina.

Tsy hisy koa ny fifidianana raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana, ary fepetra napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola ho an’ny fifidianana izany, hoy ihany izy. Ny zava-misy anefa, hoy i Zafilahy Stanislas dia tsy hametraka fitoniana mihitsy raha i Andry Rajoelina sy ny tariny satria satrin’izy ireo aza tsy hisy fifidianana ka dia ezahiny hitarina ny tetezamita. Tsy raharahainy izany Malagasy miha mahantra, tsy afaka mitsabo tena izany fa ny hahazoany tombontsoa no tanjony. «Izahay tsy mila jet na fiara avy amin-dRajoelina. Tsy matoky anareo izahay», hoy ihany i Zafilahy Stanislas. «Vitanay ny manao tsipaipaika hanofana fiaramanidina ho an’ny reninay fa ny reninay tsy natao hovonoina», hoy ihany izy.

Tsy mpanao politika Rtoa Lalao Ravalomanana kanefa dia atahorana. Midika izany fa raha tonga eto izy ka miantso olona dia vahoaka marobe no hanohana ny antsony ka dia matahotra ny FAT. Anisan’ny lahadinika nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly ity raharaha Lalao Ravalomanana ity. Tapaka tamin’izany fa dia hisy fivoriana manokana hiarahana amin’ny OMC, handinihana ny lafiny fiarovana manodidina ny fahatongavan’ny vadin’ny filoha teo aloha io. Tsy mbola voafaritra kosa anefa hoe rahoviana io fivoriana io no hatao.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT