Politique

Zafilahy Stanislas Niova fiteny


  • Alarobia 08 Mey 2013

Niseho vatana indray ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina, Zafilahy Stanislas, rehefa nangina tsy re feo.

 Elaela koa izay no tsy nahitan’ny maro azy teny amin’ny Magro Behoririka, nefa anisan’ny mpitaritolona mafana fo tao. Tsy mbola nanazava ny anton’ireo moa ny tenany, na dia naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena aza. Noharin’i Zafilahy Stanislas ho toy ny olona marary ilana fitsaboana maika ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Nambarany fa ny FFKM no toy ny dokotera mpanasitrana mahita sy mahalala tsara ny marary raha nitarainan’ireo solontenan’ny faritra rehetra ny amin’izay vahaolana tokony hatao hamonjena ny aim-pirenena. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy ny FFKM no namoaka ireny fehin-kevitra ireny fa ny mpizaika. Diso mahatsapa loatra mantsy ny roa tonta, hoy i Zafilahy Stanislas fa raha tena hifototra tanteraka amin’ny fampandrosoana ny firenena isika dia tsy maintsy vahana hatrany amin’ny fakany aloha ny olana.

Ekena hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritany Toamasina ity fa tena sahirana ny vahoaka saingy ny mety ho loza dia hiteraka olana vaovao indray ny fifidianana hatao amboletra ka izay vao tena ho potika tanteraka ny firenena. Aminy dia aleo aloha vahana mihitsy ny olana vao miroso amin’ny fifidianana, ao anatin’izany ny fametrahana marina ny tena fihavanana malagasy hialana amin’ny lonilony sy ny valifaty ary hisorohana ny fanonganam-panjakana tsy hiverina intsony. Ny lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana anefa omaly dia nanamafy ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT