Politique

Zafilahy Stanislas Namaky bantsilana ny teti-dratsin’ny AT


  • Alarobia 25 Janoary 2012

«Tsy hanaiky izahay fa tsy maintsy hivadika ny pejy. Tohizanay ny tolona ary tsy maintsy tafodinay eto ny filoha Ravalomanana na iza ho faly na iza tezitra. Tsy ho votsotra intsony ny fotoana faha-3 hahatongavan’ny filoha eto», hoy i Zafilahy Stanilas nanoloana ny vahoakan’ny Magro omaly.

 Raha ny fanazavan’ity filoha lefitry ny Kongresy ity dia antony telo lehibe no namoahan’ny filohan’ny FAT iny naoty, baiko nivantana avy hatrany tany amin’ny Asecna iny ka tsy nahafahan’ny zotram-piaramanidin’ny Air Link SA 8252 nipetraka tao Ivato. Fantatr’i Andry Rajoelina tsara, hoy i Zafilahy fa tsy hanaiky ny familiana azy ilay fiaramanidina. Fantany koa anefa fa sarotra ny hisamborana an’i Marc Ravalomanana ary ho raharaha koa ny hitifitra, handatsaka aina. Hany herin’ny FAT, hoy ihany i Zafilahy Stanislas dia ny famonoana azy tany ambadibadika tany. Ny zavatra nety niseho, hoy ity parlemantera dia na tany Morondava no nipetraka ilay fiaramanidina dia tany dia tsy hita izay nasian’ireo ny filoha na nidoboka tany an-dranomasina satria solika sahaza ny zotra Johannesbourg-Antananarivo ihany no tao.

Sary iray faharoa koa, araka ny fanazavana dia natao nangingina, tsy nanaraka ny fombafomba ilay NOTAM mba hanaratsiana ny filoha. Amin’izay fotoana izay, hoy i Zafilahy Stanislas dia ho tezitra amin-dRavalomanana ny Malagasy hoe mamita-bahoaka satria tsy ho avy akory. Vao mainka anefa nampihetsi-po ny Malagasy iny sakana iny satria nivoaka iny andro iny ihany ny marina. Nanaitra ny Malagasy rehetra ny fisian’ireo vahoaka marobe tonga teny Ivato ary dia nampakatra ny fitiavan’ny Malagasy an-dRavalomanana ireny. Voaporofo tamin’iny sabotsy fa voafehinay ny olonay, hoy hatrany i Zafilahy. Rehefa misy olona tiana hosamborina fotsiny dia lazao, hoy izy. “Avoahay ny sary hiaraha-mahita !”, hoy ihany izy. Araka izany dia mbola hafana ny toe-draharaha ato ho ato.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT