Politique

Zafilahy Stanislas Nahafantarana toe-tsain’olona maro ny krizy


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Ity kianja fitolomantsika ity dia toerana fianarana sy fiainana, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka.

Mba taiza ianareo Raiamandreny Mijoro tamin’izahay nigadra, hoy izy. Manana ny maha izy azy izany mpitandrina izany, hoy Atoa Ralaiseheno Guy Maxime, ka tsy tokony hiteniteny foana ary tsy tokony hovidiam-bola sanatria satria olon’Andriamanitra. Ny fizirizirinareo no mahapotika ny firenena ary mbola miandry inona tokoa ianareo vao hahatsapa tena ? Ny mahasamihafa ny FAT sy ny Ankolafy 3 sy ny namany dia isika manana Filoha hendry, hoy izy. Rehefa mitondra i Marc Ravalomanana dia miverina daholo ny mpamatsy vola, hoy i Camille Mektoub nanohy izay avy hatrany. Ny tsiparifary no tsy mampandroso ity firenena ity, hoy izy.

Ny fahefana nalaina an-kery dia tsy maharitra ary tandremo ny latsa avy any ambony satria ny feom-bahoaka dia feon’Andriamanitra, hoy izy. Tsy maintsy arenintsika ny zavatra tsy nety rehetra tamin’ny tafika, hoy i Zafilahy Stanislas. Mety mandimandina ianao androany dia tsy mahatsiaro ny vahoaka Malagasy, nefa ao anatinareo ao dia 5 na 6 sisa no miziriziry ny amin’ny tsy fanekena ny hiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Mety tsy mitovy fijery amin’ny rehetra aho fa misaotra ny Tompo nampisy ny krizy nahafantarana zavatra maro ary indrindra ny toetran’ny olona. Mila ny any ivelany foana isika na hivarotra “bois de rose” fotsiny aza, hoy izy namarana ny teniny.
 

Manohy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT