Politique

Zafilahy Stanislas ”Misy andian’olona mitady hamotika ny fananan’ny Frantsay”


  • Alarobia 17 Aogositra 2011


 Vaovao mahakasika ny any amin’ny Faritra no nasongadin’ny depioten’i Faratsiho teo aloha Randrianjatovo Henri tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly ka nitaterany fa : “any Manakara sy Fenoarivo Atsinanana dia mitety trano ireo TIM sadasada, manentana amin’ny fifidianana. Mikarakara ny fiomanana ny fanaovana sonia ny sori-dalana”. Rehefa anontanina ny amin’ny mpanao politika ny vahoaka, hoy izy, dia mamaly fa leo satria tsy mijery vahoaka izy ireo fa ny ao am-paosiny no mahamay azy ary misy tsy mahalala afa-tsy ny eto Antananarivo, tsy mahalala ny olam-bahoaka sady tsy manaraka ny fitsipikin’ny antoko misy azy.

Namafy izany i Camille Mektoub raha nilaza fa “mitaky fahasahiana ny tolona ary ataovy fady ny fitiavam-bola indrindra fa avy amin’ny TIM sadasada”. Hafatra ireny nataon’ny Filoha Ravalomanana ireny amin’ny hoe : eto no hatao ny sonia ary tsy hanao izany mihitsy izy raha tsy tonga eto. “Rehefa miresaka ny ara-dalàna izany dia ao i Marc Ravalomanana ary tsy hoe fitiavan’i Afrika azy fa izy no filoha voafidim-bahoaka”, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas. Nametra-panontaniana ho an’ny mpomba ny FAT izy nilaza fa : “inona no atahoranareo an-dRavalomanana ? Efa nilaza izy fa tsy hamaly faty !”.

“Mahalala izahay fa misy andian’olona miomana hamotika ny fananan’ny Frantsay eto”, hoy ihany izy, “handotoana ny Filoha Ravalomanana alohan’ny hahatongavany”. “Jereo izany ry tafika ! Aoka ho mailo ary hisaina tsara isika amin’izay hataontsika rehetra fa sao tafita vao rendrika !”, hoy ihany i Zafilahy. Manomana hetsika goavana ny ao amin’ny Magro amin’ny sabotsy izao, izay ho tarihan’ny avy eny amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT