Politique

Zafilahy Stanislas Mandany volam-bahoaka ny fivoriana eny Tsimbazaza


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Mahamenatra fa tena kilalao sy andranandrana no atao eto amin’ity firenena ity ankehitriny, hoy i Zafilahy Stanilas tetsy amin’ny Magro Behoririka ny alatsinainy teo

 Raha ny marina, hoy izy, dia ry zareo eny anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita no tena mila fivoriana tsy ara-potoana noho ny tsy fahavitan-dry zareo nandinika ny lalàna farany tonga teny amin’izy ireo tamin’ny tsy ara-potoana faharoa teo ka fandiniham-bolam-bahoaka ny fiantsoana ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita hivory tsy ara-potoana fanintelony indray. Izay volavolan-dalàna hodinihana amin’izany 12 andro manaraka izany aza, hoy izy, tsy mbola vonona sy tsy fantatra mazava akory nefa izao hampanantsoina izao izahay. Vaovao manokana avy any Sambava (SAVA) tamin’ny resaka fanadiovana ny Magro tany an-toerana nataon’ny Zanak’i Dada no nentin’ity mpitari-tolona ity manaraka ary nilazany fa mbola manam-bahoaka ny ankolafy Ravalomanana ka atahorana n’aiza n’aiza.

Tsy maintsy tafaverina an-tanindrazana hanarina ity firenena ity ny filoha Marc Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas, ka mivonona isika zanak’i Dada. Tsy ny famerenana an’i Dada an-tanindrazana fotsiny no himasoana, hoy izy, fa ny fameranana azy eo amin’ny fitondrana indrindra indrindra. Tsy maintsy vitantsika izany hampanjakana ny fihavanana sy fampandrosoana eto amin’ny firenena ary ny olona matotra toy ny filoha Ravalomanana ihany no afaka hamerina izay fa tsy adala akory ireo raiamandreny teo aloha nanamarika ary nametraka fepetra ao anaty lalàm-panorenana fa olona matotra, 40 taona no ho mihoatra, vao tokony ho afaka hirotsaka hofidiana ka hitondra ny firenena.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT