Telo taona ngarangidina no nitoloman’ireo mpandala ny ara-dalŕna ny famerenana izany ara-dalana izany eto amin’ny tany sy ny firenena, nanomboka teny Mahamasina, Ambohijatovo, Anosy, Ankorondrano ary tonga teny amin’ny Magro Behoririka.
. Mihodina ny tantara, hoy Randriampilamanana Rostand. Hirakitra amin’ny tantaran’i Madagasikara ny zavatra hitranga amin’ny sabotsy ho avy izao, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, indrindra amin’ny dingana famahana ny krizy. Amin’ny faran’ity volana janoary ity rahateo dia handinika sy hanao tombana ny fampiharana ny sori-dalana ny Vondrona Afrikanina, raha ny fanazavany. Tetsy andanin’izay, nambaran-dRandriamamiarizafy Ignace, fa tsy azo atao ambanin-javatra ny resaka fandriampahalemana izay miainga avy amin’ny tsirairay.
Tsy ankinina amin’ny hafa, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity izany fa isika no tompony. «Ny zanak’i Dada ihany no afaka hampody azy an-tanindrazana fa ny ambiny fanampiny ihany», hoy ihany izy. Nanentana ny rehetra hanangana ny faneva dia ny sainam-pirenena moa i Guy Maxime Ralaiseheno amin’izao hahatongavan’ny filoha Ravalomanana izao. Na hisy rivotra na sikilaonina, hoy izy dia tsy maintsy tonga eto an-tanindrazana ny filoha satria dingana ho amin’ny fahafahan’i Madagasikara ny fanitsahan’ny tongony eto ka mila fahatanjahan-tsaina izany. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas, filoha lefitry ny Kongresy moa fa dia tsy voakosoka eto Madagasikara ny anaran-dRavalomanana ary inoany fa tsy maintsy mbola hitondra ny firenena izany raimandreny izany. Nambarany fa tsy hila sotasota fa hanavotra an’i Madagasikara i Marc Ravalomanana raha ho tonga eto an-tanindrazana. «Manomboka amin’io sabotsy io kosa dia tantara hafa no eto. Afaka hihaino sy hanongilan-tsofina amin’ny fomba hitondrana ny firenena isika.
Nisy nibodo izany fanjakana izany teto fa tsy nety nahatafavoaka baolina tao anatin’ny telo taona», hoy kosa Raveloson Constant izay nanambara fa manomboka amin’ny sabotsy vao hisy varavarana iray misokatra ho an’ny fankatoavana iraisam-pirenena ho an’izay fanjakana hatsangana aorian’ny tetezamita. Dingana vaovao hafa mihitsy no hizoran’ny tolona rehetra hatrehina manomboka amin’io sabotsy io, araka ny fanazan’ity mpikambana amin’ny Kongresy ity ihany. Nanentana ny mponin’Antananarivo koa ny tenany mba hiara-kisalahy satria ny hatrany amin’ny faritra dia hiakatra eto an-drenivohitra. Araka izany dia daty horaiketin’ny tantara ny 21 janoary ho avy izao, ho kihon-dalana amin’ny raharaham-pirenena. Mety hihamafy sy hihasarotra raha toa ka hiziriziry hiaro ny tombontsoany ny sasany, mety hanalefaka sy varavarana misokatra ihany koa anefa ho an’ireo izay mijery manokana ny tombontsoam-pirenena. Ny ho avy no hamantarana izay.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.