Politique

Zafilahy Stanislas «Hifampitady eto raha tsy avela hirotsaka Ravalomanana»


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Nafanafana ny tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo. Araka ny fanazavana manko dia misy mikononkonona tsy hodian’i Marc Ravalomanana sy ny fanakanana azy tsy hirotsaka hofidiana.

 Araka ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, anefa dia tsy i Marc Ravalomanana no hikiribiby hirotsaka hofidiana fa ny vahoaka Malagasy no tena mila ity filoha teo aloha hirotsaka satria tsy mbola misy mahavita ny zava-bitany hatreto. «Hifankahita isika raha tsy avelanareo hirotsaka Ravalomanana satria izahay vahoaka no mitaky izany», hoy i Zafilahy. Tetsy andanin’izany dia nambarany fa foronina ny tsy fandriampahalemana eto amintsika mba hiorim-paka eto ny tafika frantsay. Notsiahivin’ny filoha lefitry ny Kongresy moa ny hoe anisan’ny nanenjehana an-dRavalomanana ny filazana fa nampiditra mersenera vahiny teto tamin’ireny taona 2009 ireny kanefa tsy izany no zavatra nitranga. Momba ny fifidianana ihany dia nambaran’i Longin Fanantera fa tsy hiresaka fifidianana raha tsy tafaverina eto ny olona hofidiana dia ny filoha Marc Ravalomanana. Manao antso avo amin’ny rehetra ny tenany, dia ny iraisam- pirenena toy ny SADC sy Troika fa raha tapitra ny fito volana dia tsy tokony handefitra intsony ny ankolafy Ravalomanana satria efa voarakitra ao anatin’ny sori-dalana fa miverina tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT