«90%-n’ny mponina eto an-drenivohitra dia vonona hitsena an-dRavalomanana, hiakatra ihany koa ny avy any amin’ny faritra satria tsy Antananarivo irery no mila ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana fa ny Malagasy rehetra», hoy i Zafilahy Stanislas manoloana ny fodian-dRavalomanana rahampitso raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany.
Nohamafisin’ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity fa tsy misangy rehefa niteny nivantana toy ireny ny filoha ary tsy maka fanahy ihany koa manoloana ny resaka miely fa efa ela no nandrenesana an-dRavalomanana niteny fa ho avy. Notsiahiviny ny zava-nisy ny 19 febroary tamin’ny taon-dasa 2011 fa efa tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Joburg ny filoha sy ny ankohonany no nilatsaka ny NOTAM nanakana ireo kompaniam-pitaterana tsy hitondra azy. Nikasa hanofa fiaramanidina hafa izy tamin’ireny fa nosakanan’ny FAT avokoa. Tamin’ireo mpitarika ny hetsiky ny mpandala ny ara-dalàna no nilazany koa tamin’iny fa ho avy izy fa tamin’ity kosa dia izy tenany mivantana no nanambara izany tamin’ny vahoaka.
Nandefitra nanana ny rariny isika nandritra izay telo taona izay, satria tsy nanam-pidiny ka ampy izay fa tsy kilalao ny fitondrana ny firenena, hoy ihany i Zafilahy. Tsy hila kisa na hisotasota ny filoha sy ny mpomba azy fa tonga ny fotoana hamahana ny krizy. Na tiana na tsy tiana, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy dia manana anjara biriky lehibe amin’ny famahana izao olana izao ny filoha Ravalomanana. «Tsy ekenay hopotehana intsony ny firenena koa asakasak’izay hanandrana hanao toetra tsy mendrika fa dia hahita raha isika amin’io sabotsy io», hoy ihany i Zafilahy Stanislas.
Ankoatra izay dia nambarany fa iankinan’ny fahazoan’i Madagasikara ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fahatongavan-dRavalomanana eto an-tanindrazana satria ho porofo amin’ny fampiharana ilay sori-dalana, dia ny andininy faha-20 ao anatin’izany fifanarahana politika izany. Na dia nanatitra ny taratasy manendry azy ho masoivohon’i Vondrona Eoropeanina eto amintsika manko aza, hoy izy izay olona voatendry amin’izany dia tsy midika fankatoavana velively izany ka tsy tokony ho fitahina ny vahoaka. Tsy midika izany fa hisokatra ny famatsiam-bola, hoy ihany izy fa miankina amin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana izany, araka ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.