Politique

Zafilahy Stanislas “Efa aty amintsika ny fandresena”


  • Talata 20 Martsa 2012

Nizara roa omaly ny mpitolona avy etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka fa tao ireo andiany nanotrona ireo voampanga tamin’ny raharaha BANI teny amin’ny fitsarana Anosy, ary teo kosa ireo nijanona an-kianja ihany.

 Betsaka ary mitombo isan’andro ny olona milaza fa tsy mety intsony izao, hoy ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Zafilahy Stanislas. Efa telo taona isika no nilaza izany na dia nolazaina aza fa alahelo ny filoha Marc Ravalomanana fotsiny ka dia misakana ny FAT hiasa. Tsy mahay ireo ka manina ny fahaizana sy hankingan-dRavalomanana ny vahoaka, hany ka manangona izay azony ny FAT satria hody an-tanindrazana ilay nanasoa ity firenena ity. Misongadina iny olona iny, hoy i Zafilahy satria ny vahoaka mihitsy ankehitriny no mila azy hanavotra ity firenena ity. Nisafidy hangina ny filoha Ravalomanana, hoy hatrany i Zafilahy Stanislas sao dia lazaina fa izy no naniraka ireny mpahay lalàna vahiny ireny ka hoe voavidiny vola eo indray fa amin’ity herinandro ity no hiteny izy (Ravalomanana) ary fanambarana goavana no lazaina satria tsy tokony hifanelanelana intsony ny vahoaka sy ny mpitondra. Hafatra avy amin’Atoa Marc Ravalomanana moa no namaranan’i Zafilahy ny fandraisam-pitenenany ka nilazany fa “tsitsitsitsio ny teny satria efa aty amitsika ny fandresena ka aza mivatravatra intsony”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT