Miakatra ny maripana etsy amin’ny Magro Behoririka. Henjankem-piteny ireo mandray fitenenana. Mahatsapa aho, hoy i Zafilahy Stanislas fa te hitroatra ny vahoaka matoa tonga maro na andro talata aza satria sao dia tetika tsy hampodiana ny filoha Marc Ravalomanana mialoha ny fifidianana no mitranga. Asakasak’izay mieritreritra fa hisy ny fifidianana, hoy izy raha ny lalàna aza tsy arahana. Safidy ny antsika ary tsy noterena, hoy i Zafilahy Stanislas manoloana ireo mpiara-mitolona aminy : “mila an’i Dada sy Neny hanohitra ny vazaha sy ny rajakony”. Koa raha esorina i Neny dia i Dada no solony. Miandry ny toromarika avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny Zanak’i Dada, ny amin’izay ho tohin’ny tolona.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.