Zafilahy Stanislas

> Ny vahoaka no ho eny Ivato haka ireo fitaovana nogejaina


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013

Mbola tavela eto Antananarivo ny tenanay ankehitriny na dia efa tokony hikarakara ny fototra any amin’ny faritr’i Vavatenina sy ny manodidina misy anay any, hoy i Zafilahy Stanislas.

Ny antony dia noho ny fiandrasana ny fitaovana hoenti-manatanteraka ny fampielezan-kevitra izay mbola giazan’ity fitondrana tetezamita ity eny Ivato hatramin’izao. Tetikady maloto no anton’izany, hoy izy, dia ny hanakiviana ny zanak’i Dada sy ny ankolafy manontolo saingy tsy dondrona sy bado ny vahoaka Malagasy fa tena matsilo saina ka tsy azo ahodinkodina intsony. Izahay mpitarika miaraka amin’ny vahoaka mihitsy no haka ny fitaovanay sady fitaovam-panjakana ihany koa raha mbola miziriziry amin’ny fanagiazana ny tompon’andraikitra mahefa, hoy i Zafilahy. Mila mandray andraikitra isika raha tiana ny hiverenan’i Dada, hoy ity mpitari-tolona ity, tsy maintsy miomana mifidy fa ampy izay ny fanjakazakan’ny mpanongam-panjakana. Omeo an’ny Dr Robinson Jean Louis ny vatonao, fa mitambatra hampandresy azy ny ankolafy Ravalomanana sy ny Avana.

 

Michel /Evariste Ramanantsoavina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT