Tsy noresahan’ny Frantsay ny resaka tondrozotra tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenen-dry zareo teto amintsika iny, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly alarobia 16 jolay,
fa nihodinkodinana fotsiny satria samy mahafantatra ny rehetra hoe : inona no andraikitry ny Frantsay eto sy teto amin’ny firenena ? Manjavozavo ny vola hoentina miasa amin’ny “loi de finances rectificative” sy ny fifidianana ben’ny tanàna ka ho tonga amin’ny fisarahana raha tsy afaka mody malalaka ny filoha Marc Ravalomanana satria izy no antoky ny famatsiana. Horesahina farany eto ny resaka TIM, hoy ity mpitari-tolona ity, ka marihina fa ny TIM tamin’ny taona 2004 no mipetraka ara-dalàna any amin’ny atitany izay milaza fa Razoarimihaja Solofonantenaina no filohany mandra-piandry ny kongresy manaraka alohan’ny faran’ny volana aogositra ho avy izao. Efa nanafatrafatra ny rehetra ny prezidà Ravalomanana ka nangina na i Mamy Rakotoarivelo na Rajemison Rakotomaharo ka farany izay no iresahana TIM eto an-kianja fa tsy TIM avokoa ny vahoaka rehetra eto, indrindra ao ny ankolafy Zafy Albert manampy antsika eto sy ireo antoko anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Eny amin’ny foibe eny Bel’Air no firesahana antoko TIM ary hisy fihaonambe hatao eny isaky ny alarobia sy zoma antoandro. Ny fihaonambe fandaminana isan’andro eny an-kianja kosa, hoy ny fanamarihana azo, dia hotanterahina isan’andro toy ny mahazatra ao amin’ny efitrano malalaky ny Magro Behoririka ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.