Tsipaky ny miala aina ny an’i Andry Rajoelina, hoy ny CST Randrianjatovo Henri manoloana ireo vavabe navoakan’ny filohan’ny FAT nialoha sy taorian’ny dinika tany Seychelles.
«Ampiharo manomboka amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny farany, ao anatin’izany ny andininy faha-45 ny sori-dalana fa tsy misy matahotra izany», hoy ity depioten’i Faratsiho teo aloha ity. Tsy afaka hiala amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ihany Randrianjatovo Henri satria ny tanjona dia ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. «Ravalomanana mody, mirotsaka hofidiana filoham-pirenena», izy ihany no fantatry ny mpandala ny ara-dalàna, hoy ny CT Ralaiseheno Guy Maxime nanamafy ary nanentana ireo mpiara-dia aminy hiomana amin’ny fitsenana ny filoha sy ny fampandaniana azy indray amin’ny fifidianana ho avy.
Raha tiana ny hamerenana ny hasina eto amintsika, hoy ity Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha ity dia tsy maintsy miverina amin’ny ara-dalàna ary heverina, hoy izy fa tsy hiala amin’izany ny SADC amin’ny alalan’ny sori-dalana. «Tsy takona afenina ny toetra mamoafady ataon’ny FAT», hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime izay nanamarika fa tokony hotandrovana mandrakariva toy ny anankandriamaso ny harofenitra rehefa misy vahiny. Na inona anefa na inona. «Na ‘miss’ inona ampiasain’ny FAT na tsy ‘misy’ inona, ny lalao dia mazava, Ravalomanana no tompon’ny ‘lalao’», hoy ihany izy. Tetsy ankilan’izay dia nambaran’i Zafilahy Rakotomandimby Stanislas fa «isika no hamerina an-dRavalomanana hitondra ny tany sy ny fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana». Matoa nijoro hatramin’izao Ravalomanana, hoy izy dia noho ny fitiavan-tanindrazana koa aoka ny Malagasy haneho ny heviny ary “aza ariana zo ny kandida”. Satrinay hirotsaka koa Andry Rajoelina, hoy ihany Zafilahy Stanislas hitsaran’ny vahoaka azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.