Politique

Zabofigera Dox Didier “Inona sisa no soatoavina hajaina eto ?”


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2012

Mampametra-panontaniana amin’ny ankapobeny ny fomba fitantanan-draharaha eto amintsika ankehitriny, ny fomba fifampitondrana, hoy ny CT Zabofigera Dox Didier.

 Inona sisa no soatoavina hajaina eto, hoy izy. Mbola misy etika ve ny olona omena andraikitra samihafa, ny rafi-panjakana ankapobeny ? Lalaovina any ivelany daholo ny lalao, hoy izy, izy ireo no manamasina izay ataontsika eto fa isika tsy mahavita mifampidinika dia inona sisa no an’ny Malagasy samy Malagasy ? Raha ny resaka famoahana datim-pifidianana nataon’ny CENIT no asian-teny, hoy ity CT avy amin’ny fiarahamonim-pirenena FINOANA ity, dia azo ambara fa nanao ny asany aloha ry zareo hatreto. Mbola nasehoan-dry zareo koa fa manana traikefa sy fahaizamanao hifampidinika amin’ny any ivelany izy hifampiraharaha amin’ny zavatra nankinina taminy. Nanosika bebe kokoa azy ireo amin’ny fahaleovantenany tanteraka moa ny avy any ivelany ary azo ambara fa nanao tsiliantsofina tamin’ny mpanao politika tsy an-kanavaka hoe : aoka hibanjina ny daty efa voalaza isika dia tandremo sao mbola misy miolakolaka indray eny an-dalana.

Nanontaniana tamin’ity CT avy any Vatovavy Fitovinany ity moa hoe mety hisy fiantraikany eo amin’ny rafi-panjakana samihafa ve iny fanambarana datim-pifidianana iny ? Tsy hilaozan’izay aloha, hoy ny CT Zabofigera Dox Didier, satria rehefa misy zavatra miova eo amin’ny sehatra politika dia mitondra zana-piovana samihafa iny avy eo mba hirosoana bebe kokoa sy lavidavitra kokoa. Na eo amin’ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina aza dia mety misy karazana fomba fijery vaovao tsy maintsy hitondrana ny fihaonana, mety hiova ve ny fihaonan’izy ireo ? Ny fijerin’izy izay fihaonana izay ? Tsy hilaozan’izany ireny daty ireny ka stratejikam-pifidianana izany no andeha izao, ka inona ilay endrika fihaonana mbola azo hatao, na tokony hatao na tsy tokony hatao ? Izaho Dox Didier Zabofigera manokana raha misy mitaky ny hilatsahako dia vonona aho fa raha tsy izany dia ataoko fa tsy ilaina ny milatsadatsa-poana fa hifotetaka amin’ny tany no hiafarany.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT