Politique

Yvette Sylla Kandida depiote any Sainte Marie


  • Zoma 26 Jolay 2013

Hisedra safidim-bahoaka ny antoko Madagasikara Mandroso tarihin-dRtoa Yvette Sylla.

Tsy nandrotsaka kandida ho filoham-pirenena izy ireo, fa kosa nisafidy ny hifaninana eny anivon’ny Distrika, amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ho an-dRtoa Yvette Sylla, minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha tato anatin’ny tetezamita, dia any Sainte-Marie, fiavian’ny vadiny, Jacques Sylla, filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, no nirotsaka ho kandida. Hatreto dia lisitra enina miaraka amin’ny Madagasikara Mandroso no efa nandrotsaka kandida ao amin’ny OVEC Sainte Marie. Mbola mitohy anefa ny fandraisana dosie, ka mety mbola hitombo io isan’ny kandida io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT