Politique

Yves Aimé Rakotoarison sy Vyvato Rakotovao Nivatravatra tamin’ny fiarovana an-dRajoelina ho tsy mpanongam-panjakana


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Niseho lany ary nivatravatra tokoa i Yves Aimé Rakotoarison sy Vyvato Rakotovao, izay samy nisintaka tamin’ny TIM mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana, omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely tao anatin’ny fivoriana nitambarambe natao tao, amin’ny fanohanana tsy misy fepetra an-dRajoelina ho tsy mpanongam-panjakana.

 Niainga tamin’ny fanoloran’ny vondrona Escopol soso-kevitra ny amin’ny tsy tokony handraisan’ireo fototry ny disadisa misy ankehitriny eto amintsika amin’ny fifidianana manaraka ny raharaha. Nilaza mantsy Ravelomanantsoa Philippe avy amin’io Escopol io fa toa voafatotra amin’ny olona roa sy ireo efa nandalo fitondrana ny krizy eto amintsika. Noheverin-dry zareo, araka izany, fa tokony hisento kely ireo olona nesorina noho ny hetsi-bahoaka, ireo olona tsy nolaniam-bahoaka, ireo olona mpanongam-panjakana ary ireo mpanodinkodina volam-panjakana.

Tsy hoe tsy mahazo milatsaka intsony ireo fa amin’ity indray mitoraka ity mandra-pahavoakantsika amin’ny krizy dia misento kely ireo fa any aoriana any izy afaka mirotsaka. “Efa voasaron’ny fifanarahana noho ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana ka neken’ny vondrona iraisam-pirenena izany fifanarahan’i Cotonou miresaka fanonganam-panjakana izany”, hoy i Vyvato Rakotovao, “ka tsoahy ry Escopol io soso-kevitrareo io fa tsy hampihavana sy tsy hitondra filaminana”. Nampian’i Yves Aimé Rakotoarison tamin’ny hoe : “tokony hiala ianareo Escopol raha mihevitra fa mpanongam-panjakana no manome karama sy tombontsoa maro samihafa anareo ankehitriny ary nanendry anareo teto amin’ny CST”. Dia mbola nampian’i Yvon Sareraka aza izany tamin’ny hoe : “raha lany eto ny hevitry ny Escopol dia hiala tsy ho tonga hivory intsony aho ka hanaiky fa anisan’ny mpanongam-panjakana”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT