Politique

Yves Aimé Rakotoarison Namela trosa karaman’ny mpiasa valo volana


  • Talata 20 Desambra 2011

Miakatra ny feo eny Nanisana eny. Valo volana tsy nandray karama mantsy ny mpiasan’ny ministera misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana (MRI).

 Tsy nitsahatra ny nampaneno lakolosy ireo mpiasa mitaky ny zony. Hatreto tsy misy mandre izany, ka dia hiditra amin’ny dingana mafimafy kokoa izy ireo. Hisy hetsika ho amin’izany anio eny Nanisana, toerana nisy ny masoihovon’i Chine teo aloha izay lasa ministera ankehitriny.

Ministera vaovao ny MRI ary Manantsoa Victor no minisitra ao ankehitriny. Ministeram-panjakana izy ity teo aloha, notantaran-dRakotoarison Yves Aimé. Ity farany izay voatendry ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ankehitriny. Tamin’ny androny anefa no efa tsy voaloa ny karaman’ireto mpiasa ireto, izay miisa 336 raha ny antontan’isa voaray. Tao ve ny vola fa nisy nanodina, sa tsy tafiditra tao anaty tetibola mihitsy ? Anio no hamantarana misimisy kokoa izany, fa dia tsy mitsahatra ny misavorovoro eny Nanisana hatramin’ny nananganana ity ministera ity mihitsy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT