Politique

Yang Xiarong – Masoivoho Sinoa « Tsy hitsabaka amin’ny raharaha tokantranonareo izahay »


  • Alakamisy 09 Jolay 2020

Namarana ny iraka nampanaovina azy ny Masoivohon’ny Repôblika entim-bahoakan'i Sina eto Madagasikara, Ramatoa Yang Xiarong rehefa niasa teto nandritra ny efa-taona.

 

 

 

 

 

 Nanambaran-dRamatoa ambasadaoro fa nihamafy orina hatrany ny fiaraha-miasa teo amin’i Sina sy Madagasikara nandritra izay efa-taona niasany teto izay, nanamafy koa izy fa « tsy hitsabaka velively amin’ny raharaha tokantranon’i Madagasikara », ary hanohy mandrakariva ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, amin’ny alalan’ny fanohanana ireo tetik’asa isan-karazany hoenti-mampandroso ny malagasy. Raha tsiahivina dia anisan' ny tetik’asa niombonana tamin’ity Masoivoho sinoa ity ny fanamboarana ireo fotodrafitr’asa maro lehibe, toy ny lalana Ivato-Tsarasaotra, ny lalana mampifandray ny Boulevard de l'Europe sy ny Village de la Francophonie, ny lalana mampitohy ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato sy ny Boulevard de l'Europe. Teo koa ireo fanohanana ara-pitaovana nentina niatrehana ny ady atao amin’ny valanaretina Covid19, izay fanomezana avy amin’ ny Governemanta sinoa, sy ireo orinasa sinoa, ary ny fiarahamonina sinoa eto Madagasikara. Efa nampiasaina eny amin’ireo toeram-pitsaboana, hôpitaly sy Oniversite, ary koa nomena ireo fikambanana malagasy mpanao asa soa ireo fitaovana ireo. Notanterahana tao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 6 Jolay 2020 ny lanonana fanaovam-beloma azy ka nanondrotan’ny Fanjakana malagasy azy, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Tehindrazanarivelo Djacoba AS Oliva, ho eo amin'ny laharan'ny « Commandeur de l’Ordre National malagasy ».

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT