Politique

Yang Xiaorong –masoivohon’i Sina « Mila fitoniana i Madagasikara raha te handroso »


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Taorian’ny lehiben’ny vondrona eoropeanina dia masoivoho vahiny faharoa nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity ny masoivohon’i Sina monina sy miasa eto amintsika Ramatoa Yang Xiaorong.

Nambarany omaly teny amin’ny Carlton ary fa tsy miditra velively amin’ny raharahan-tokantranon’i Madagasikara i Sina, saingy maniry kosa ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena, ary ny hisian’ny fifidianana milamina. Tsy misy fampandrosoana azo antenaina raha tsy misy ny fitoniana, hoy izy. Nampiany fa ny vahoaka Malagasy irery ihany no manapa-kevitra amin’ny fiainany sy ny ho aviny. Tsy tongatonga ho azy ny fanambarana ara-diplaomatika tahaka izao fa efa karazana tsindrom-paingotra ho an’ny Malagasy, indrindra fa ny mpitondra fanjakana, mba hahay handamina ny zava-misy eto, raha tsy izay dia hitazatazana fotsiny aloha ireo mpiara-miasa ary tsy hitobaka araka ny tokony ho izy ny famatsiam-bola.

Légende:Rtoa Yang Xiaorong, masoivoho Sinoa eto Madagasikara

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT