Politique

www.ravalomanana.com : Fisandohana sa fanasoketana ?


  • Talata 19 Febroary 2013

Tranga hafa kely nefa mampanontany tena ity hoentina eto ity.

 Ho an’ireo mikirakira ny aterineto na internet dia mety efa nahatsikaritra ihany fa raha manoratra sy mikaroka ny adiresy : www.ravalomanana.com ianao dia ny pejin’ny fiadidiana ny tetezamita no mipoitra eo na ny “Site officiel Présidence de la Transition” nefa misoratra amin’ny anaran’i Marc Ravalomanana ity tranonkala ity. Ary tsy hoe pejy efa lany andro io mipoitra io fa manara-penitra sy manaraka ny daty tsara mihitsy. Raha nojerena izao ny omaly dia mitondra ny datin’ny 18 febroary 2013 soa aman-tsara, ary dia hita ao daholo izay tiana ho fantatra momba ny fitondrana tetezamita amin’ny ankapobeny. Dia tena mahagaga sy mahatalanjona ny tranga tahaka izany.

Ny azo antoka aloha dia tsy zavatra tongatonga ho azy izany io, fa niniana natao mihitsy ilay izy. Mahagaga koa ny hoe : dia tsy mahafantatra ny momba ny fisian’io zavatra io mihitsy ve ny ao Ambohitsorohitra ka nanitsy avy hatrany ilay izy, sa mahalala fa navela eo ? Raha ity farany no izy dia mitohy hatreny amin’ny aterineto izany ny fanonganana tamin’ny 2009.

Ao koa anefa ireo mihevitra fa fomba fiady io, mety be mpikaroka ao amin’ny aterineto ny hoe : “Ravalomanana” koa dia nisy niketrika tany ambadika tany ka izay rehetra mikasa ny hiditra amin’ny pejy ravalomanana.com dia nalefa any amin’ny pejin’ny fiadidiana ny tetezamita avokoa. Fa na ahoana na ahoana aloha ambara dia manaratsy endrika ny fiadidiana ny tetezamita izao tranga izao ary raha mbola misy ihany ny olon-kendry ao an-dapa ao dia tokony hanitsy haingana io adiresy diso na fanahy niniana nodisoina io ry zareo. Na atao hoe nisy olon-kafa nisompatra aza ny pejin’ny fiadidiana ny tetezamita, dia tsy mba nisy teknisianina manara-penitra mihitsy ve tao nahatsikaritra izany ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT