Miteraka resabe ny ho tohin’ilay sori-dalana nasiam-panitsiana nosoniavin’ireo ankolafy politika isan-tokony teny Ivato ny 17 septambra teo.
Dingana ihany iny fa tsy tanjona satria raha ny voasoratra ao anatiny dia ny hahatongavana amina fifidianana marina sy mangarahara, azo antoka no tanjona. Ao anatin’izany ny fametrahana ny tetezamita tena izy, izany hoe fanafoanana ny governemanta Vital ankehitriny sy ireo rafitra sadasadan’ny FAT fa fanorenana vaovao mihitsy no hatao. Governemanta handraisan’ny rehetra anjara, tsy mitanila no hanomana ny fifidianana. Raha ny filazan’ny filohan’ny FAT moa dia toa tsy mihevitra ny handrava ny governemanta Vital ny tenany.
Raha tonga nizara vary teny Anatihazo Isotry i Andry Rajoelina ny alarobia teo, dia nilaza fa “tsy laharam-pahamehana izany !”. Etsy andanin’izany dia nambaran’i William Randriamahaleo, avy amin’ny MFM Analamanga fa tsy misy ary tsy hisy fankatoavana ho an’ny mpanongam-panjakana sy ny fanonganam-panjakana. Voatery nekena izy satria ny FAT no manana ny basy aman-tafondro, araka ny fanazavana ihany. Izany anefa tsy midika fa ekena izy. Nosoniavina iny sori-dalana iny mba hisantarana ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Manoloana izany dia heverin’ity mpitari-tolona ity fa azo tsaraina tsara ny mpanongam-panjakana. Ny tanjona, hoy ihany izy dia tetezamita tsy misy an’i Andry Rajoelina na ilay atao hoe TSARA.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.