Politique

Wikileaks Namoaka «tsiambaratelo momba an’i Madagasikara» ?


  • Alarobia 07 Septambra 2011

Ny 2 febroary 2010 no namoahan’ny tranonkala Wikileaks (http://wikileaks.org/cable/2010/02/10ANTANANARIVO56.html) vaovao momba ny raharahan’i Madagasikara, mahakasika indrindra ny diplaomasia iraisam-pirenena atao eto Madagasikara manoloana izao krizy izao.

 Tsiambaratelo no nanasokajian’ity tranonkala ity io vaovao io izay niainga tao amin’ny masoivoho amerikanina teto Antananarivo, nalefa tany Washington. Ny masoivoho amerikanina tamin’ny fotoan’andron’i Niels Marquardt no tompo-marika tamin’ilay vaovao, araka ny navoakan’i Wikileaks ihany. «Ireo safidin’i Andry Rajoelina : na hanaiky ny tolokevitr’i Jean Ping na miala !”. Anarana maromaro no notanisain’ity masoivoho amerikanina ity ao anatin’ilay vaovao, anisan’ireny ny an’i Zazah Ramandimbiarison, talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina. Zazah Ramandimbiarison izay nanatona manokana an’i Niels Marquardt nilaza ny zava-misy. Nanambara izy, araka ny tatitr’io tranonkala io, fa efa manomboka mankaleo azy ny tsy fahamatorana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ataon’i Andry Rajoelina.

Eo koa ny tsy fahatomombanan-toerany, ny tsy fahazakan’i Andry Rajoelina io toerana misy azy io. Kivy koa i Zazah Ramandimbiarison manoloana ny tsy fahaiza-mitantan’ny FAT ka hanjakan’ny gaboraraka tanteraka sy ny fanapotehana ireo harem-pirenena. Manoloana izany rehetra izany dia anisan’ny vahaolana naroso ny momba ny tolokevitr’i Jean Ping na ny fananganana filankevitra ahitana teknisianina manampahaizana sy ny avy amin’ny tafika. Ankoatra izay, momba ireo sazy dia efa nampitandrina an’i Andry Rajoelina mikasika izany ny tenany saingy toa tsy noraisiny ho zavatra matotra izany ary raha nihaona tamina tompon’andraikitra ambony frantsay ny tenany dia karazan’ny nanome antoka azy ity farany fa tsy dia misy ahiana loatra ny momba izany sazy izany. Voatonona ao anatin’ity vaovao ity ny filazana fa dia tratry ny torovohan’ireo mpanome hevitra azy ny filohan’ny FAT, anisan’izany moa ilay mpanolotsaina, teratany frantsay.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT