Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny gaboraraka sy ny « extremiste » ary ny fahantrana ny Vononana Tsimialonjafy mifahatra amin’ny Soatoavina Repoblikanina tarihiko ankehitriny, hoy ny fanambarana nataon’ny filoha mpanorina azy, ny Dr Olivier Rabe Landry,
tamin’ny kabary fohy nataony tao anatin’ny lanonam-pikoranana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao nifanaovan’ ireo mpikambana ao aminy sy ireo antoko politika na fikambanana nasainy toy ny « Grand Sakalava du Boeny » notarihan’ny Ampanjaka Rasoamody sy ny Mizatra (ex-militaire) … art ny firaisamonimpirenena teny amin’ny « Espace Green » teny Vontovorona ny sabotsy 28 janoary teo. Samy resy lahatra ny rehetra fa tsy misy afa-tsy ny fifanatonana sy ny fifampiresahana no hahafahana mampandroso marina an’i Madagasikara fa tsy ny fanohanana hevitra bontolo (extremiste) ataon’ny mpanohana ny fanjakana sy ireo mpanohitra. Aorian’ny fivoahan’ny didim-panjakana maha ara-dalànan’ny Vovonana amin’ity herinandro ity, dia hidina ifotony any amin’ny Faritra 22 manerana ny nosy ny mpikambana hanangana ny rafitra any an-toerana sy hanangana ny « Force de développement » ho an’ny firenena Malagasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.