Vovonana manohana an’i Hajo

> Manainga ny Malagasy hiaro hatramin’ny farany ny sa@257;diny


  • Alarobia 30 Oktobra 2013


 

Midera ny fahamatorana sy ny fahamendrehana nasehon’ny Malagasy mpiray tanindrazana nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny androm-pi@257;dianana teo ny Vondrona Politika Miaradia Malagasy Miara Miainga na VPMMMM, na dia teo aza ireo sakantsakana, fandranitana sy @257;hantsiana ary fandrahonana isan-karazany manerana ny Nosy. Manainga ny Malagasy rehetra hiaro hatramin’ny farany ny sa@257;din’izy ireo tsy hisy hamilivily ka amim-pahatoniana sy amim-pahendrena tanteraka no hanaovana izany, mandrapahatongan’ny famoahana amin’ny fomba o@257;sialy ny vokatra feno manerana ny Nosy. Manamafy ny fahavononany hanaja sy hanamafy hatrany ny fahalalahana sy ny @257;laminan’ny tsirairay, ary indrindra ny @257;voaran’ny isam-batan’olona miatrika ny anio ary hibanjina ny hoavin’ny taranaka ao aoriana koa ny VPMMMM. Eo anatrehan’ny voka-pi@257;dianana tsy o@257;sialy mivoatra isan’andro dia milaza azy ho herivelona tsy azo ihodivirana eto amin’ny @257;renena koa ry zareo. Farany dia manohitra tanteraka ny tetika entina hampizarana, hampiadiana, hampisaraham-bazana ary hanilihana ny mpiray tanindrazana ity vovonana manohana an’i Hajo ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT