Vovonana Ho an’ny Tanindrazana

> Mitsipaka marindrano ity fifidianana atao amboletra ity


  • Sabotsy 07 Septambra 2013

Mitombo isa hatrany ireo fikambanana sy vondrona manohitra ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hotontosaina amin’ny volana oktobra izao. Mivondrona anaty vovonana iray atao hoe : “Ho an’ny Tanindrazana” ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena mitovy hevitra izay samy mitsipaka io fifidianana io.

Anisan’izany Rakotomalala Henri na Riribe izay tsy zoviana amin’ny mponin’i Toamasina, ny CST Henri Lecacheur, ny minisitry ny fahasalamana teo aloha Ranaivoson Henri ary Rabetsara Lita, filohan’ny vovonan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Manohitra io fifidianana io ny Vovonana Ho an’ny Tanindrazana noho ny fahitany fa petatoko sy amboletra ilay izy. Tsy tambo isaina ny antony anoherany izany toy ny tsy fanajana ny tondrozotra sy ny lalam-pifidianana, tsy fahatanterahan’ny fampihavanam-pirenena izay tokony hialoha ny fifidianana, tsy fisian’ny lalàmpanorenana mazava, fisian’ny gadra politika any am-ponja ankoatra ny sesitany politika mbola tavela any ivelany ary ny fanilihana ireo kandida mamim-bahoaka. “Na inon-kambara dia mbola manana vahoaka betsaka mpanohana azy izany filoha Marc Ravalomanana izany. Toraka izany koa ny filoha Didier Ratsiraka sy Andry Rajoelina. Ka ny fanilihana azy ireo dia hiteraka hatezeram-bahoaka izy ho vato misakana amin’ny fifidianana hoy i Riribe.

Raisin’ny Vovonana ho an’ny Tanindrazana famitaham-bahoaka ny fiziriziriana hanao fifidianana amin’izao fandikan-dalàna izao. “Milaza ny fanahiany ny hisian’ny korontana ny filohan’ny CENIT, koa nahoana raha manambara ny fanemorana izany izy raha tena olona mahitsy tokoa?”, hoy hatrany i Riribe. Miantso ny fahatongava-tsain’ny tanora eo anatrehan’izao zavamisy izao kosa ny CST Lecacheur izay nahatoky ny FFKM nefa malahelo noho ny fanapahan-keviny manohana ny firosoana amin’ny fifidianana. Amin’i Rabetsara Lita dia ny fifidianana lalampanorenana no tokony vaindohan-draharaha satria rehefa mafy orina ireo andinin-dalàna ao anatiny dia mora tantaniny ireo harentsika fa tsy hanjakan’ny vahiny”. Manomana famoriam-bahoaka eto Iarivo tsy ankanaka, indrindra fa ireo tsy mankasitraka ny fifidianana tery vay manta ny Vovonana ho an’ny Tanindrazana.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT