Nanao fanambarana miaraka tetsy amin’ny Hotely Manga etsy 67ha omaly ny solontenana fikambanana maro mivondrona ao anatin’ny vovonana antsoina hoe AVM 21
na ireo niharam-boina vokatry ny tolon’ny 21 aprily monina eto Antananarivo fa hanohana ny kandida laharana faha-2 ao anaty bileta tokana, Rina Randriamasinoro, ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Mila tanora mavitrika sy manana vina toa an’i Rina Antananarivo, hoy izy ireo. Saika mahasahana ny seha-piainana rehetra ny praograman’asany ary olon’Andriamanitra izy sady olon’ny fiarahamonina. Olona niainga teny ambany tanàna izy ary efa niaina tety Tsaramasay, hoy ny solontenan’ny mpivarotra eto Antananarivo, Mohamad Bakir. Fantatra foana ny olona vonona sy ny olona mitsapatsapa. Tsy mila “Robot” i Antananarivo sy i Madagasikara, hoy izy ireo. Anisan’ireo fikambanana hita teny an-toerana moa ny ZAMA na Zara Andraikitra Mandamina ny Avaratra, izay monina eto Antananarivo sy ny fikambanana Rugby School ary ny solontenan’ireo mpivarotra.
J. Mirija
Legend: Tetsy 67 Ha omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.