Tsy azo lambolamboina ny raharaham-pirenena fa mila kristianina tena sahy mijoro amin’ny maha kristianina azy. Izay no ventin-kevitra nentin-dry zareo avy eo anivon’ilay Vovonan’ny
Kristianina Malagasy na (VKM) nandritry ny fampafahantaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny fahavononany handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy, omaly, tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy. Mila hampanjakaina eto amin’izay, hoy ity vovonana ity, ny fahamarinana satria dia ny mifanohitra amin’izany izao no manjaka eto ka dia tsy mahagaga raha mitsingalamboangidina amin’ny kolikoly sy ny fahalovana toy izao ny raharaham-pirenena. Hanana kandida izy ireo. Tanjona ny fanatanterahana izay fampanatenana natao ary mba hametrahana mpitondra tsy miankina afa-tsy amin’Andriamanitra tokana. Tonga ny fotoana, tao anatin’izay 60 taona izay, mila mitsangana amin’izay ny kristianina hamongotra ny fahantrana fa tsy hanakonana ny fahantrana toy ny tamin’ny frankofonia.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.