Namoaka fanambarana ny VOT Vakinankaratra tamin’ny alalan’ny filohany Atoa Randrianiaina Solofo dit Solo, manoloana ny fijoroan’ireo fikambanana samihafa misandoka ny anaran’ny fikambanana VOT.
Araka ny voalazany dia tokana ny VOT dia ilay efa nijoro nandritra ny telo taona ihany ary tokana ihany ny mpitarika hatreto. Nambarany fa hevitra fanasaratsarahana ireo mpitolona sy mpikambana no ao ambadik’ireny fisandohana ireny ka tsy tokony hanaitra. Nohamafisiny fa akaiky ny hifaranan’ny tolona dia hajoro ireny fikambanana ireny mba hitadiavana seza, kanefa tsy izany no andraikitry ny VOT sy ny nananganana azy. Nambaran’ity mpitarika ity ary fa manohana hatrany ny filoha Ravalomanana izy ireo ary mitaky hatrany ny fodian’ity filoha ity sy ny filatsahan-kofidiny.
Amin’izy ireo dia izay ihany no vahaolana ho an’ny firenena. Fantatra ihany koa tamin’ny tafa nifanaovana taminy fa efa mijoro sy miasa amin’izao fotoana ny VOT any amin’ireo Distrika manodidina dia ny ao Betafo sy Antsirabe II ary an-dalana ny fananganana ny ao Antanifotsy amin’izao fotoana. Ezaka ataon’izy ireo ny fanapariahana ity fikambanan’ny olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana ity hanerana ny Distrika fito ao Vakinankaratra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.