Niatrika ny fifampiharabana noho ny taona vaovao 2012 ny mpikamban´ny Vondron´olon-tsotra (VOT) Toamasina ny sabotsy teo.
Niatrika ny lanonana ny mpandrindra ny VOT nasionaly, Rtoa Sarah Zoe, sy ireo delegasiona VOT Antananarivo notarihany niatrika ity lanonana ao amin´ny trano malalaky ny lycée Price Tanambao V ity. “Ny VOT dia tsy mila ady aman´olona tsy akory, fa te-hamerina ny ara-dalàna sy ny tena safidim-bahoaka marina teto amin´ny firenena, izay niniana noravana noho ny lainga sy ny resa-be ary firaisana tsikombakomban´ny mpanao politika Malagasy sasany sy ny frantsay”, hoy ny mpandrindra nasionaly ny VOT Rtoa Sarah Zoe. Ho an´ny VOT, dia ny “aza matahotra minoa fotsiny ihany”, ka nilazany ho an´ny mpikambana fa “aza manaiky hidiran´ny otrikaretin´ny fizarazarana izay politika napetraky ny frantsay mba hanjakana eto amintsika hatramin´izay, aza malaina namana sy fikambanana fa jereo izay te-ho namana sy hiara-dia nefa mba mailo ihany koa fa betsaka ny fahavalon´ny tolontsika izao, tsy manantena fahagagana isika, fa ny asa ataontsika ihany no hahatratrarana ny tanjona, ka ny tanjona amin´izany dia ny fodian´ireo sesitany politika rehetra sy famoahana ireo gadra politika”.
Ho an´ny VOT dia miaiky ny fitiavan´ny Malagasy ny filoha Ravalomanana ny vondrona iraisam-pirenena, noho izany mila fandinihan-tenantsika Malagasy tia ny ara-dalàna sy mankamamy ny tany tan-dalàna marina ny zava-misy, ka handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay hahatrarana ny tanjona napetraka. Nomarihan´ny Rtoa Sarah Zoe moa fa “efa mandeha haingana sy efa eo am-pamaranana ny fifampiresahany amin´ireo vondrona iraisam-pirenena maro ny filoha Ravalomanana izao”, ka tsy maintsy ho fantatsika eo ihany ny atao amin´ny fahatomoran´ny daty tokony hiverenany eto Madagasikara. Ankoatra izay, dia efa faritra 9 no misy ny VOT eto amintsika, ahitana ny VOT koa ny any Canada, Chine, Cote d´Ivoire, Suisse…ary La Reunion, hatsangana tsy ho ela koa ny any Itasy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.