Politique

VOT Misy misandoka ?


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Mitohy ny asam-pitolomana ataon’ny VOT (Vondron'olon-tsotra manohana ny Filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny ara-dalàna).

 Mitohy koa ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitarika sy ireo mpikambana manerana ny Nosy. Manoloana izany anefa dia mahatsapa izy ireo fa misy ny fingana sy fisolokiana ataona andian’olona sasany izay milaza fa nampijoro fikambanana mitovy amin’ny VOT, izay fikambanana niforona efa telo taona mahery nanombohan’ity krizy ity ary mijoro ara-dalàna ara-panjakana. Manoloana izany dia mampitandrina ireo izay misandoka ny anarana VOT izahay, hoy ireo mpitarika, ary manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy sy ireo mpikambana manerana ny Nosy mba ho mailo fa maro ireo mpisandoka ary tsy kely lalana ny ratsy. 

Matoky 

Mikasika ny tetiandrom-pifidianana navokan’ny CENI-T indray dia nilaza ny VOT, fa matoky ny lamina apetraky ny vondrona iraisam-pirenena sy ny SADC sy ny traikefan’izy ireo. Ankoatra izay dia manamafy ny fanohanany hatrany ny Filoha Marc Ravalomanana ihany koa amin’ny asa sy ny ezaka rehetra ataony hikatsaham-bahaolana hanavotana ny firenena sy hamonjena ny mpiray tanindrazana aminy ity fikambanana ity. Mino izahay, hoy ny VOT, fa hody tsy ho ela eto an-tanindrazana ireo sesitany politika rehetra mbola any ivelany, indrindra ny Filoha Marc Ravalomanana ary hirotsaka hofidiana satria efa vonona ny hamerina azy hitantana sy hitondra ny firenena indray ny Malagasy. Manantena koa izahay, hoy ny VOT, fa hivoha amin’izay ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT ary hivoaka ny fonja ireo gadra politika rehetra mbola any am-ponja ho antoka hisian’ny fitoniana eto Madagasikara.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT