Hafa mihitsy ny hetsika ataon’ny VOT na Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana Antsirabe amin’izao fotoana fa dia ny fanentanana ny olona, indrindra fa ireo mpitolona mba hanamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana indray no ataon’izy ireo amin’izao fotoana. Nambaran-dRasolo, mpitarika azy ireo ao Antsirabe fa mba tsy handiso fanantenana ireo mpifidy amin’ny androm-pifidianana no hanaovan’izy ireo izany ka dieny tsy mbola tapitra ny fotoana dia entanin’izy ireo avokoa ny mpitolona rehetra hanamarina izay anarany izay. Nambaran’ity mpitarika ity moa fa ny tanjona dia ny hampadio sy hampangarahara ny fifidianana ka hampandany an’i Neny amin’ny fihodinana voalohany ny tanjona amin’izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.