Vetesina lava ny hoe fampandrosoana an’i Madagasikara amin’izao fotoana ka nitondran’ny VOT Antsirabe fanamarihana izany.
Nambaran’Atoa Andrianavalojaona Hervé mpandrindra-paritry ny VOT Vakinankaratra sy Atoa Randrianiaina Solofo fa maika ihany koa ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana izay manana anjara toerana goavana amin’izay fampandrosoana an’i Madagasikara izay amin’ny alalan’ny orianasa Tiko izay fananany. Nambaran’ireto mpitarika ireto fa fianakaviana maro no mivelona mivantana na an-kolaka amin’ity orinasa goavana ity, ankoatry ireo mpamboly izay mamatsy vokatra ao aminy ka rariny raha tena hitady fampandrosoana tokona ny fanjakana raha sokafana io orinasa io amin’izao fotoana ka ampodiana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana azy. Ankoatra izay moa dia nambaran’izy ireo fa tafiditra tanteraka amin’ny resaka fampihavanana ihany koa ny fampodiana ity filoha teo aloha ity raha tena tanterahan’ny fanjakana ka hanaovan’izy ireo izao antso izao. Raha tsahivina moa dia isan’ny vokatra vidian’ity orianasa ity ao Vakinankaratra ny paoma sy ny garana mba ahodina ho ranom-boankazo, eo ihany koa ny vokatra katsaka, voanjo, saoja ary indrindra ny ronono. Raha ny mikasika ny fifidianana ho avy moa dia nambaran’ireto mpitarika ny VOT ireto fa tsy mikasa ny handrotsaka olona amin’izany izy ireo na koa hanohana olona aloha hatreto fa mbola miandry hatrany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.