Fahombiazana ny hetsika notontosain’ny VOT na ny Vondron’olon-tsotra tao Antsirabe ny sabotsy 14 jolay 2012 lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny FLM Faravohitra.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihina ny faha-3 taona nijoroan’ny fikambanana manohana ny filoha Marc Ravalomanana moa ny hetsika n ka nambaran-dRtoa Ravaonirina Sarah Joeline, filoha mpitarika ny VOT fa mitohy manerana ny faritra eran’i Madagasikara izao fitetezam-paritra izao. Nohamafisin’ity mpitarika ity fa dia tsy manao politika izy ireo fa kosa manana tanjona dia ny famerenana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara ary hampandany azy hiverina ho filoham-pirenena ary mijanona eo ny andraikiny. Tsy haka ny sezan’ny mpanao politika akory izy ireo fa hanohy hatrany ny asa soa fampivoarana ny mpiara-belona sy ny asa fampandrosoana efa natomboky ny filoha Ravalomanana teto Madagasikara. Tsy mijanona mihitsy, hoy Rtoa Sarah, ny hetsika ataon’ny VOT raha tsy tafody eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana.
Fa nohamafisin’ity mpitarika ity ny fitakiana sy fangatahan’ny VOT ny hanaovana ny fihaonan’ny filoha Ravalomana sy Andry Rajoelina eto Madagasikara satria ireo ihany no fototry ny olana teto ka tokony hiainga amin’izy ireo ny vahaolana. Ny ankoatra ireo dia mpijapy lamasinina fotsiny. Efa nanaovan’izy ireo fangatahana hatrany amin’ireo vondrona iraisam-pirenena sy ny SADC izany ka miandry ny valiny izy ireo. Nisy moa ny fizarana fanomezana ho an'ireo olona sahirana nandritra ity fihaonana ity, izay voalaza fa hetsika efa fanaon'izy ireo. Milaza ny hikisaka amin’iny faritra avatr’i Madagasikara iny ireto mpitarika ny VOT ireto, taorian’Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.