Politique

VOT Alaotra Mangoro Mitaky ny fihaonan-dRavalo sy Rajoelina eto Tanŕ


  • Alatsinainy 18 Jona 2012

Manomboka mihetsiketsika sy maneho hevitra mahakasika ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ireo mpanao politika sy olon-tsotra any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny.

 Ny faran’ny herinandro teo dia nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasan’izy ireo ao Ambatondrazaka ny Mpandrindran-paritry ny VOT (Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana) Alaotra Mangoro. Tamin’izany no nanambaran’izy ireo fa efa mijaly sy sahirana ny vahoaka malagasy koa takiana ny hisian’ny fihaonana eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ho famahana ny krizy. Miantso ny iraisam-pirenena koa izy ireo mba hanatanterahana izany fihaonana izany eto Antananarivo satria eto, hoy izy ireo no mitranga ny olana ary eto no azo antoka kokoa fa tsy afaka ny hivadika amin’ izay hifanarahana sy hifanekena ny mpifanandrina ara-potokevitra.

Efa betsaka, hoy izy ireo izay fifanarahana vita tany ivelany izay fa rehefa tonga eto an-tanindrazana dia tsy manatanteraka izay voarakitra ny filohan’ny FAT. Raha eto no atao ny fifampidinihana dia inoana sy antenaina fa tsy maintsy hahita vahaolana mahomby sy tsy afahana mandika vilana izay voarakitry ny fifanarahana ny tsirairay. Nahitsy ny teny nataon’ireto mpitarika ny Vondron’olon-tsotra Alaotra Mangoro ireto fa fahavalom-pirenena izay mitsivalana amin’ny fanatanterahana ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina eto Antananarivo. Naneho ny fahavononany hatrany amin’ny tolona ho fampodiana eto an-tanindrazana an’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fampandraisana anjara azy amin’ny fifidianana ireto mpandrindra ny VOT Alaotra Mangoro ireto.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT