Zava-dehibe tamin’ireo mpikambana Vondrona olon-tsotra (VOT) any Alaotra Mangoro ny fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana eto Madagasikara.
Nampitombo ny herim-po nananan’izy ireo eo amin’ny fanohizana ny tolona ny fahatongavan’ity vadin’ny filoha Marc Ravalomanana ity na dia tsy mbola nifankahita tava aza. “Faly ny fonay fa tsy ho ela intsony dia hifarana ny tolona”, hoy ireto mpikambana VOT any Alaotra ireto. Sarotra ny lalana vao tonga tamin’izao fahatongavan-dRamatoa Lalao Ravalomanana izao, hoy izy ireo. Na izany aza, manantena izy ireo fa tsy ho lavitra intsony ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana. Mankahery ny vadin’ny filoha Marc Ravalomanana izy ireo amin’ny adidy lehibe hatrehany ankehitriny dia ny fikarakarana sy fitsaboana an’i Bebe Razay.
Maniry ny hifanatri-tava amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana ry zareo VOT Alaotra Mangoro ireto amin’izao fahatongavany eto an-tanindrazana izao. Efa ela no tsy nihaonana, nahatsiaro kamboty ny mponina tany Alaotra Mangoro nandritra ny fotoana tsy naha teto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana mianakavy. Ankehitriny velom-bolo indray Antsihanaka izay anisan’ireo nigoka soa tamin’ireo tetikasa maro napetraky ny filoha Marc Ravalomanana. Fanirian’izy ireo ary ny hampihodinana amin’izay ny orinasa Tiko Vohidiala izay nanampy betsaka ny tantsaha tany Alaotra. Mino ny VOT fa tsy sanatria ny fanjakana indray no ho sakana eo amin’ny fanampiana ny sosialy ny mponina izay efa latsaka ankaterena ankehitriny. Misy ny fehezam-boninkazo nomanin’ny VOT hatry ny ela ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Fotoana izao, hoy izy ireo hanolorana izany.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.